NY ETY (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-antsanny-famonjena/ny-ety

Raha ny ety !
Ady sy fitomaniana, fangirifiriana ny ety
Fahasahiranana lava  tsy mety misava, mameno ny fiainana ety
Toa tsisy fanantenana, fa mahatamana ny ety
Manam-pahataperana, mandalo miserana ny fahasambarana ety

Kanefa Izy efa tonga teto, hanala ny sento mianjady tety,
Efa nosasany, tamin'ny rany
Kanefa Izy efa novonoina, mba hisolo voinatononkira.serasera.org antsika tety
Nilaozany ny fanjakany, hanavotany ny tany
Indro Izy tonga tety,
Hanangona ny ondry nania,
Kolokoloiny, sy ampofoiny,
Minoa Azy ianao dieny ety

Raha ny ety !
Feno fitokotokoana, samy hafa finoana ny ety
Kely ny fifanajana, tsy tan-dalàna, ny ankamaroan'ny ety
Hazakazaka foana, mandava-taona ny ety
Tomany sy adin-tsaina, toloko taraina no rano fisotro ety

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Mpamaky : 160
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : nyantsanfa
Tamin'ny : 24/12/2019 19:35:12
ID : 12322

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo