INJAO MITSIRY (Ny ANTSAN'NY FAMONJENA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
( Hira fanevan'ny faha-30 taonan' Ny ANTSAN'NY FAMONJENA - 2006 )

Injao mitsiry ny fanantenana
Mahazo toky indray ny finoana
Fa notahiana, nahiana tsy irery, voajery
Nohainoina rehefa mifona

Fa sahinay hireharehana
Ventesinay satria fandresena
Ireo zava-maro, mifangaro, ny asa, ny lasan'
Ny ANTSAN' NY FAMONJENA

Nandalo fitsapana, ny laka-nitana
Dia natopatopan'ny onja
Ny ora-mifafy, ny rivotra mafy
Kanefa vetivety monja,

Dia nibaliaka indray ny masoandro
Ny onjam-piainana tony amin' izay
Fa raha Ianao no mitahy dia tsy misy ahiahy
ny fiainana mandrakizay

Misaotra anao Jeso ny olona
Fa lehibe,
Ny fitahiana ampy mizara izay narotsakao
Misaotra re, misaotra re
Ry Tompo o ! Lehibe ny fitiavanao

Ny vavakay, Tazony fa tsy mahatana anao
Tsy ampy hery
Arovy amin'ny fakam-panahy,
Mba tsy ho very
Ry Tompo o! Aoka ho mendrika ny antsonao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny ANTSAN'NY FAMONJENA
Vangy : 600
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : nyantsanfa
Daty : 13/01/2020 01:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0823