You are here: home > Tononkira > Ndriana Ramamonjy

Andriamanitra Fitiavana (Ndriana Ramamonjy)

Andriamanitra Fitiavana Ianao,
Ka mihevitra ny momba anay ety
Raha mifoha maraina izahay
Dia tsy afaka ambavanay hoe :
" Ampy ho anay ny Fahasoavanao "

Fiv :
Raha maraina mibaliaka ny andronay ety,
Ianao no masoandro nihaviany
Raha ny alin’ny ririnina no hantononkira.serasera.orgdalo ety,
Ianao no kintana hitantana ny dia

Ka ny vavaka hatao
Izay mipololotra am-ponay ao hoe :
" Ampy ho anay ny Fahasoavanao "

Andriamanitra Fitiavana Ianao,
Ka mitantana ny dianay ety
Raha andimby ny andro ny alina,
Mbola tokana ny deranay hoe :
" Izahay anie hatoky Anao "

Mpihira : Ndriana Ramamonjy
Mpamaky : 17329
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 21/09/2002 13:26:00
ID : 1046

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo