You are here: home > Tononkira > Ndriana Ramamonjy

Hadalana (Ndriana Ramamonjy)

Hadalana hono no handaniako ny hatanorako
Amin’izany atao hoe FIVAVAHANA
Voninkazo vao mitsiry tokony ho haingon’ny tanàna
Dia mandà ireo fahalalahana

Fahalalahana, hitondra ho aiza anefa izany
Tsy vao maika ve fangejana no entiny
Raha mba Tsiky dia ampyfantany hoe nahoana moa no tiako ny raiko
Tsy izany intsony angamba no ambarany

Andriamanitra ô! izaho tia
Satria ianao tia ahy taloha
Ka nahatonga Anao
Hanolotra ny Zanaka Lahitokanao
‘Zay nanavotra ny aiko tsy hidina an-davaka
Fa nahatonga ahy hanam-piainam-bavaka

Mpihira : Ndriana Ramamonjy
Mpamaky : 2799
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Randys102
Tamin'ny : 12/01/2015 07:38:36
ID : 7060

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo