Vato fehizoro (Ndriana Ramamonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rendrarendra ve
sa fifalian’ny maso koa
izay endrika ho levona
na felana halazo koa

no hanorenako izany tena fiainako
ianao jesosy irery no
tena vato fehizoro

ka na orana hifafy
na ny rivotra koa hifofo
tsy mba hanan-tahotra aho
tsy hangovitra aho
satria vato mafy no
tena manda-piainako
ianao jesosy irery no
tena vato fehizoro

eo aminao
no tena hirafetako
hitombo tsara ho tempoly masina eo aminao
mba ho fonenanao sy ilay fanahy masinao
ianao jesosy irery no tena vato fehizoro

ka na orana hifafy
na ny rivotra koa hifofo
tsy mba hanan-tahotra aho
tsy hangovitra aho
satria vato mafy no
tena manda-piainako
ianao jesosy irery no
tena vato fehizoro

ka na orana hifafy
na ny rivotra koa hifofo
tsy mba hanan-tahotra aho
tsy hangovitra aho
satria vato mafy no
tena manda-piainako
ianao jesosy irery no
tena vato fehizoro
--------
Rohy:
Hevitra
noncieminah ( 06/06/2018 10:09)
Bonjour!

Mba mitady ny tononkiran'i Ndriana Ramamonjy ilay hoe Soa aho Ray iny raha mba misy azafady!

Misaotra tompoko.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ndriana Ramamonjy
Vangy : 9889
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 23/09/2002 11:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074