Hidera ao am-po (Ndriana Ramamonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hira voalohany izay natao ho ahy
'Zay nokaloiko mangina hatramin'izay
Na dia tsy nisy nandre dia tsy mba nampanahy fa
Hiderako ao am-po an'Ilay Ray

Noho izaho tsy mba nihirahira toa anareo
Vao mba mikalo dia io fa gara feo
Ilay Fanahy ao anaty anefa te-hidera
Rehefa irery aho dia nihira tsy an-kiera

Satriko foana hanohy ny fiderako
Saingy ilay ao am-po no tiako hanako
Izy ilay mahalala ny ao am-poko
Izy ihany no tiako hankafy
Ilay feoko mikaviavia
Dia nihira aho miventy ilay Fitiavany

Hira voalohany izay natao ho ahy
'Zay nokaloiko mangina hatramin'izay
Na dia tsy nisy nandre dia tsy mba nampanahy fa
Hiderako ao am-po an'Ilay Ray

Nefa noho ilay vava nanekeko
Anao Tompoko tia dia nomeko
Tsy vava ihany fa fo sy ny fanahy
Sy izay rehetra rehetra momba ahy
Hampiasaiko hiderako Anao
Hiarahako amin'ireo navotanao

Hira voalohany izay natao ho ahy
'Zay nokaloiko mangina hatramin'izay
Na dia ho maro mpandre dia tsy mba hampanahy fa
Hiderako ao am-po an'Ilay Ray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ndriana Ramamonjy
Vangy : 1007
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : RRas
Daty : 28/04/2020 23:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725