You are here: home > Tononkira > Ndriana Ramamonjy

Lokon-danitra (Ndriana Ramamonjy)

Lokon-danitra (Ndriana RAMAMONJY) Key G

Maizina ve ity lokon’ny lanitra?
Mavesa-drahona fa fahavaratra?
Jereo ny lokon’iry tanimbary iry
Tarafin’io masoandro milentika io.

Mahereza ianao, atrakao ny loha
Dia banjino ny hatsaran’ilay Ray tsitoha
Ao anatin’ny mafy no hasehony antononkira.serasera.orgao
Ny halehiben’ny voninahiny!

Nandao anao va ilay havan-tiana?
Sa very maina izay ezaka efa natao?
Enjehina noho ny marina va ianao?
Ka mampanjombona ny lokon-danitra?

Mahereza ianao, atrakao ny loha
Dia banjino ny hatsaran’ilay Ray tsitoha
Ao anatin’ny mafy no hasehony anao
Ny halehiben’ny voninahiny!

Mpihira : Ndriana Ramamonjy
Mpamaky : 9479
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : leva2
Tamin'ny : 14/10/2012 14:06:08
ID : 6206

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo