RAHA NANDINIKA NY LASA (MIRAY FIDERANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Raha nandinika ny lasa sy ireo ratsy niainako aho,
moa ve hamela ahy ilay Jesoa be fitiavana,
toa menatra aho,tsy sahy koa ny hilaza hoe:
"inty aho raiso ho anao ka anjakao".

2. Noho ireo ratsy izay nataoko teo anatrehanao;
dia toa menatra aho ny handray ilay fitiavanao,
kanefa Ianao dia miantso ahy ary milaza hoe:
"inty aho raiso anio;fa hitoetra ao am-ponao".

REFRAIN: Mitalaho aho re,mba raiso ity tsy mendrika ho anao,
mba vonjeo koa fa ilay satàna te-handavo ahy;
avia Jesoa,faingàna re,ka diovy aho ho anao ka anjakao;
Ho Anao ka Hanjakao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIRAY FIDERANA
Vangy : 1407
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : fitiavana17
Daty : 29/10/2017 16:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0777