Tiako loatra (MIALY RAKOTOMAMONJY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako loatra, tiako loatra e ny fitiavaNao
Ry Jesoa, mamy loatra e ny eo anilaNao
Lavitry ny ahiahy, ravoravo ny fanahy
Tena ampy ho ahy tokoa ny fahasoavaNao

Tena soa, tsara loatra e ny fitantanaNao
Ny fiainanay, matoa nivoatra e dia notahiaNao
Na nisedra mahamay, nenjehina aza indraindray
Dia tsy lavo fa nijoro, Ianao no niady ho anay

Ka mbola hatoky Anao, hifikitra AmiNao
Tsy misy mahavita anay afa-tsy Ianao ry Jesoa tia
Ny velirano izay ataonay AmiNao
Tsy hivadika AmiNao izahay
MANDRAKIZAY DORIA  
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134