You are here: home > Tononkira > MIALY RAKOTOMAMONJY

TANIKO (MIALY RAKOTOMAMONJY)

https://tononkira.serasera.org/hira/mialy-rakotomamonjy/taniko-2

Ianao no taniko hatrizay
Izay tena mamiko tokoa
ny foko ho anao mandrakizay
ry Gasikara nosy soa
tsarovy fa ny fahantrana mitambesatra aminao
mahakivy, mahaana
amin’izao andro izao
tononkira.serasera.org
Ireo tolona tsy omby tratra
izay mahatsiravina tokoa
toa mbola feno ireo ratra
tsy nahitana voka-tsoa
ny hany azoko atao anao
dia faniriana arahim-bavaka
mifohaza, miakara ianao
ho tany handroso ka hiavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : MIALY RAKOTOMAMONJY
Mpamaky : 2438
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : hardy
Tamin'ny : 26/07/2006 12:14:40
ID : 3795

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo