TSY MISY TAHAKA ITY (MIALY RAKOTOMAMONJY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misaotra Ray Tsitoha fa mahasoa any tokoa ny manompo Anao e
Zahay zao mahatsiro tena sambatra natsoinao mba ho irakao
Sady mpiara-miasa Aminao
Tsy voavidinay ny famonjena lehibe izay natolotrao e
‘zahay zao ravoravo, ny feo ataonay avo
Satrinay hamerina hihira foana hoe e!

Tsisy tahaka ity, tsy misy tahaka ity
Tsy misy tahaka ny manompo Anao Jesoa Kristy
Tsy misy tahaka ity o! o! tsisy tahaka ity
Maika mahafinaritra tokoa ny miara-dia
Tsisy tahaka ity, tsy misy tahaka ity
Tsy misy tahaka ny manompo Anao Jesoa Kristy
Tsy misy tahaka ity o! o! tsisy tahaka ity
Santatra ilay fiderana atao ankoatra ary

Mivavaka Aminao ho anay rehetra izay mitory ny filazantsara e!
Ho ten tsapanay fa izahay anie dia tena mananjara
Lasa mpiara-miasa Aminao
Tsy voasanda vola ireo talenta sesehena natolotrao e!
(o! o!o!o!) Tehirizo hijoro tsara ka tsy ho very anjara
Mifaly amin’ny fanompoana ka hihira toa anay hoe :
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIALY RAKOTOMAMONJY
Vangy : 1270
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mi_La
Daty : 22/02/2019 08:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728