Zanak'adala (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Solo)
Raha ny adalana vitako ry Raiko ô
Tsy mendrika aho ny atao hoe zanakao
Fa ataovy mba ho isan'ireo mpanomponao
F'efa nivily nandà ny sitrakao
Ankehitriny hiverina Aminao aho
Hanaraka sy hanakato Anao
Tsy ataoko intsony izay mampalahelo Anao
Ry Ray malala o inty ny zanakao

(Duo)
Avia aty ny zanako malalako
F'ianao lay very ka hitako indray
Ento aty ny akanjo tsara
Dia vonoy ny ondry mifahy
F'izy ity ilay efa maty fa mbola velona indray

Misaora an'i Zanahary
Jesosy tsy tonga hiantso ireo olo-marina
Fa ny mpanota mibebaka tokoa
Fa Izy ilay sakaiza tsy mahafoy
Amin'ny andro sarotra ety
Hisy fifalimbe tokoa any andanitra
Raha misy iray mahafoy ny lalandratsy
Ka manolotena ho an'ilay Jeso
Izay nijaly nisolo ny helony
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Vangy : 605
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : daryprod
Daty : 11/06/2020 18:12
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6522