Isaoranay (KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaoranay Tompo o ny herinao
Fa manankasina sy aina vaovao
Ny teninao no fanilo entinay
Ny tenanao mofon'aina ho anay

Aro ampinga ho an'ny fanahy
Fanatenana hijoroako ho sahy
Aro ny fo sy ny saina aminay
Ny teninao vahatra mampiray

Ka hira soa fiderana ho anao
Ho rehareha anay koa ny anaranao
Ny fo, fanahy sy ny saina aminay
Hihira sy hankalaza ny Ray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Vangy : 268
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : daryprod
Daty : 22/03/2022 15:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728