HO MPIASANAO(GTF) (Feon'ny fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Be ny vokatra ry Ray eto an-tanimbolinao
Fa ny mpiasa no vitsy ka manolotena aho
Na tsy mendrika aza re,raiso ho mpiasanao
Fa tena vonona aho handeha hanao ny asanao
  
  Ref: Inty aho ry Tompo ô!
               Eny vonona aho hanompo
               N'aiza n'aiza no haleha iraho aho fa handeha
              Inty aho ry Tompo ô!
              Eny vonona aho hanompo
              Ho mpiasanao hatrany mandra-pialako eto an-tany

Raha izaho irery Tompo tsy mahefa noho ianao
Raha oharina aminao ny heriko dia tsinotsinona
Ka ny angatahako anio mba omeo ny herinao
Tolory koa fo madio hiantrako ny ondrinao
--------
Rohy:
Hevitra
hery ( 23/05/2023 14:36)
Inona kay ny dikan'ilay GTF eo amin'ny lohateny?
Tiannie27 ( 25/05/2023 02:10)
Miarahaba anao,groupe Tsantan'ny Fiderana ny dikanio.Natolony ho anay ny hiran'zareo dia nataonay ho fahatsiarovana an'ilay groupe io
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Feon'ny fiderana
Vangy : 186
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tiannie27
Daty : 23/05/2023 11:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726