Teraka ny Tompotsika (FEOMAFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Ry olona ô avia! Ry tany mifalia
Mba henoy ny teninay teraka ny tomponay
Ao an-tranon' omby ao,ndeha hitsaoka Azy izao
Teraka ny Tompo teraka Jesoa
Ry olona o avia! Ry tany mifalia
Mba henoy ny teninay, teraka ny Tomponay

2) Ry olona o! Avia Ry tany mifalia
Mba henoy ny havanay ,misy zaza hitanay
Zanak' Andriamanitra, hamoha indray ny lanitra
Teraka ny Tompo, teraka Jesoa
Ry olona ô avia! Ry tany mifalia
Mba henoy ny havanay, misy zaza hitanay

3) Ry Kristianina ô! Hobio fa afaka ianao anio
Resy izao ny rafinao, afaka ota ianao
Fahasoavan-dehibe, no ho anjaranao anie
Teraka ny Tompo, teraka Jeso
Ry Kristianina o! Hobio fa afaka ianao anio
Resy izao ny rafinao, afaka ota ianao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEOMAFI
Vangy : 71
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mientana92
Daty : 01/08/2024 18:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739