You are here: home > Tononkira > FEOMAFI

Feo Mitory (FEOMAFI)

1_Njany feo toa mandondona
Ao ambaravaran'ny fonao
Feo miantso sy manohina
Mifohaza ianao!
Feo manaitra sy miteny,
No maniraka anao
Anambara, itori-teny
O ry fifohazana o!


     Refrain: Ry Feomafi ianao mitory!
Manambara famonjena
Ho an'ireo izay matory,
Mifohaza miharena!
Ry Feomafi azavao,
Fa Jeso no Tomponao
Venteso hatrany tsy ankiato
Ho ren'izao tontolo izao!


2_Ry Feomafi izay mpitory,
Ampianaro azavao
Fa Jeso izay Mpamonjy,
Maty anie isolo anao!
Mitsangana mandehana
Torio hatrany Jeso!
Ny antson'ny filazantsara
O ry fifohazana oTsiky dia ampy!


     Refrain:  Ry Feomafi ianao mitory!
Manambara famonjena
Ho an'ireo izay matory,
Mifohaza miharena!
Ry Feomafi azavao,
Fa Jeso no Tomponao
Venteso hatrany tsy ankiato
Ho ren'izao tontolo izao!


3_Ry Feomafi mpanazava
Ento ny fanilonao
Ampianaro lalandava
Ilay Jeso Mpamonjy anao
Raiso Izy anie ho Tompo
Atolory Azy ny fonao
Hijoro, Vonon-kanompo
O Ry fifohazana o!


    Refrain:  Ry Feomafi ianao mitory!
Manambara famonjena
Ho an'ireo izay matory,
Mifohaza miharena!
Ry Feomafi azavao,
Fa Jeso no Tomponao
Venteso hatrany tsy ankiato
Ho ren'izao tontolo izao!

Mpihira : FEOMAFI
Mpamaky : 1230
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : FEOMAFI
Tamin'ny : 20/10/2015 11:03:47
ID : 7792

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo