You are here: home > Tononkira > FEOMAFI

Bokin'ny fiainana (FEOMAFI)

https://tononkira.serasera.org/hira/feomafi/bokinny-fiainana-1

1-Aloka miserana izao fiainana izao

Tsy azo itokiana fa mibebaha ianao

Aza variana lava dia manjeninjeny

Hitsoka anjomara ihany ireo anjely

 

Ref: Izay maharesy no hitafy lamba fotsy

Sady voasoratra anatin’ilay boky

Homeko Azy ny kintana fitarika

Fehizorom-piainana feno tombon’andro

Hanandram-peo hidera an’Andriamanitra

Andapan-dRay no mivelona finaritra.

 

2-Andro vitsivitsy monja no iainanao

Tanteraho dien’izao ary ny adidinao

Ho avy tsy ho ela anie Kristy Tomponao

Hitsara ny maty sy ny velona ety.

 

Ref: Izay maharesy no htononkira.serasera.orgitafy lamba fotsy

Sady voasoratra anatin’ilay boky

Homeko Azy ny kintana fitarika

Fehizorom-piainana feno tombon’andro

Hanandram-peo hidera an’Andriamanitra

Andapan-dRay no mivelona finaritra.

 

3-Aza miandry kapoka vao mitsangana

Fa efa betsaka ireo olon-tarangana

Andrasany aminao anie dia ny finoanao

Hanananao feno ny fiainam-baovao

 

Ref: Izay maharesy no hitafy lamba fotsy

Sady voasoratra anatin’ilay boky

Homeko Azy ny kintana fitarika

Fehizorom-piainana feno tombon’andro

Hanandram-peo hidera an’Andriamanitra

Andapan-dRay no mivelona finaritra.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : FEOMAFI
Mpamaky : 601
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : FEOMAFI
Tamin'ny : 20/02/2018 14:30:00
ID : 10384

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo