Jeso Kristy lay Mpanafaka (FEOMAFI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jeso Kristy lay Mpanafaka e!
Mikaroka sy mitady anao
Izy ilay nibaby ny eloka
Sy nisolo vohina anao
Manantona fa aza menatra e!
Na miafina sy midify ianao
Izy anie efa nahafantatra
Sy nandinika anao,

Refrain: Tsy anenjika anao velively
No niaviny ety!
Fa hanambitamby e,
Tsy hanameloka akory
Na koa oe sanatria hampijaly e!
Fa izara kosa ilay fitia
Tsy mety ritra izay ananany
Sy Hanazava koa hatrany
Ny lalana izay alehanao

Jeso Kristy no hany lalana e!
Hankanesana any @ Ray,
Izy koa no fahamarinana
Hanamarina anao!
Hozakainy anie ny entanao
Ety an-tany ety, raha mavesatra!
Hositraniny ny ratram-po
Eny raha toa atolotrao!

Refrain: Tsy anenjika anao velively
No niaviny ety!
Fa hanambitamby e,
Tsy hanameloka akory
Na koa oe sanatria hampijaly e!
Fa izara kosa ilay fitia
Tsy mety ritra izay ananany
Sy Hanazava koa hatrany
Ny lalana izay alehanao

Jeso Kristy lay Mpanafaka!
Mikaroka sy mitady anao
Izy ilay nibaby ny eloka
Sy nisolo vohina anao
Hozakainy anie ny entanao
Ety an-tany ety, raha mavesatra!
Hositraniny ny ratram-po
Eny raha toa atolotrao!

Refrain*3 : Tsy anenjika anao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : FEOMAFI
Vangy : 2287
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : FEOMAFI
Daty : 30/09/2015 11:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737