TOLORY VONINAHITRA (Chorale Antsan' Ivontovorona)

https://tononkira.serasera.org/hira/chorale-antsan-ivontovorona/tolory-voninahitra

1-Dera ho an'ny Avo indrindra nahary ity tontolo,
fahefanana  ananany dia tsy misy fetra;
Namolavola vatana sy hery, ary saina , fo, Fanahy,
Hiatrehana ny androm-piainana rehetra.

2-Ny fitiavanao anay dia  tsy azo oharina,
ary na oviana dia tsy miova izany;
Naniraka ny zanakao hamonjy ny taninay tety,
nahafoy ny tononkira.serasera.orgainy hanala ny otanay!

3- Ny finoanay ry Tompo, mba ampitomboy hatrany,
ireo teninao ho vatsim-piainanay isan'andro ;
Ka  mbola manantena fiainam-baovao  hiorina aminao Tsitoha,
hitsangan-ko velona izahay notiavinao.

Fiv:
Ho antsika zanany nomeny fiadanana,
Tolory voninahitra mandrakizay Izy Avo indrindra.

A/C: Francis Odet RAMAMONJISOA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Chorale Antsan' Ivontovorona
Mpamaky : 145
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : rfo_project
Tamin'ny : 15/02/2020 09:50:06
ID : 12554

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo