AMPOKA HAFALIANA (Chorale Antsan' Ivontovorona)

https://tononkira.serasera.org/hira/chorale-antsan-ivontovorona/ampoka-hafaliana

1- Fisaorana no indro asandratra
tamin'izay nahafahako nitory anao;
Ampoka hafaliana aho, tsy nahaloa-peo,
Fa anio indro hidera anao aho Ray Ö.

2- Finoana, herim-po niainako,
teo ny mafy  fa ianao nankahery ahy;
Ampoka hafaliana aho, tsy nahaloa-peo,
Fa anio indro hidera anao aho Jesoa Ö.

3- Misaotra anao ry Maria Reniko
Nanoro ny lalana izay nizorako;
Ampoka htononkira.serasera.orgafaliana aho, tsy nahaloa-peo,
Fa anio indro hidera anao aho Reny Ö.

4- Fa fifaliako ny eo anilanao
ry anjely mpiambina ahy amin'ny fiainako,
fa hitarika ahy ianao ho ao  an-danitra ao,
hiara-hihira ka hitsaoka ilay Tsitoha.

Fiv:
indro ny ventso ataoko hira
Atolotro anao  amin-kafaliana
Ny fitiavanao no ianako
mitarika ahy hikatsaka ny soa.

A/C: Francis Odet RAMAMONJISOA (Mars 2019)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Chorale Antsan' Ivontovorona
Mpamaky : 159
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : rfo_project
Tamin'ny : 15/02/2020 09:50:19
ID : 12557

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo