HAMPANJAKA FIADANANA (Chorale Antsan' Ivontovorona)

https://tononkira.serasera.org/hira/chorale-antsan-ivontovorona/hampanjaka-fiadanana

1-Ireo mankahala homeko fitiavana;
Ny nanaovan-dratsy hampiako hahay hamela;
Ny miadiady homeko fihavanana;
Izay diso hevitra homeko ny marina.

2-Ny misalasala homeko finoana;
Ny mamoy fo homeko fanantenana;
Ny anaty haizaina homeko fahazavana;
Ireo malahelo homeko hafaliana.

3-Tsy  halàna alahelo no tadiaviko,
fa ny mba hahaizako hanala alahelo;
Tsy ny ho henoina fa hihaino tononkira.serasera.orgolona;
Ary tsy ho tiavina fa mba hahay hitia.

4-Izay manome no tena mandray;
Ny mamela heloka, ho voavela heloka;
Izay mahafoy ny ainy, hahavonjy ny ainy,
hitsangan-ko velona mandrakizay.

Fiv:
Inty raiso aho Tompo ô,
hampanjaka ilay fiadanana avy aminao:
Hanjaka amin'izao tontolo izao,
amin'ny olona rehetra


Nalaina tamin'ny Vavak'i Md François d' Assise
A/C: Francis Odet RAMAMONJISOA (Janvier 2019)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Chorale Antsan' Ivontovorona
Mpamaky : 111
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rfo_project
Tamin'ny : 15/02/2020 09:50:18
ID : 12558

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo