VELONA NY TOMPO (Chorale Antsan' Ivontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Endrey ny hafaliana manenika anay
ny aina izay very dia azo indray
ny lanitra nihidy efa nadanadana
fa resy ilay ratsy: fa velona ny Tompo

2-Nandresy tamin-kery ny fahafatesana izy
nahoana ianareo no miondrika ange
ry kely finoana atrakao re ny loha
mientana ry tany: fa velona ny Tompo

3- Rehefa nahita ny fasana foana
ilay mpianatra tian'i Jesoa dia nino
mba sambatra izay tsy nahita fa mino
fiadanana ho azy : fa velona ny Tompo

4-Isika rehetra nateraka indray
iray amin'ny mofo sy iray amin'ny Tompo
ho faty fa hitsangana tao hoazy koa
hiray mianakavy : fa velona ny Tompo

A/C: Jean Michel RATSIMBAZAFY (ANKALAZAO)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chorale Antsan' Ivontovorona
Vangy : 761
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : rfo_project
Daty : 15/02/2020 10:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731