RENINAY MASINA MARIA (Chorale Antsan' Ivontovorona)

https://tononkira.serasera.org/hira/chorale-antsan-ivontovorona/reninay-masina-maria

1-Reninay Masina Maria ô,
Nanao ny "Eny" mba hamonjy anay Ianao:
Miaina am-pitokiana, feno fanantenana izahay.

2- Rendrika ny taninay,
Anjakan'ny ady sy famoizam-po:
Ka mba mitalaho , mba afaho tanaty haizina.

3-Ny fiainanay isanandro
mivily fa Tsiky dia ampyresin'ny fakam-panahy:
Ianao hanoro lalana, Reny, mamindrà fo aminay.


Fiv:
Ny foko finaritra tokoa (mitoetra ao aminao),
Fa Ianao mpanilo ny fiainako hazava (mpanazava);
Reny mpitarika amin'ny soa,
Kintana harahiko hatrany.

A/C: Francis Odet RAMAMONJISOA (Decembre 2018)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Chorale Antsan' Ivontovorona
Mpamaky : 109
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rfo_project
Tamin'ny : 07/03/2020 21:30:00
ID : 12597

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo