FANEVA 30è ACU VONTOVORONA (Chorale Antsan' Ivontovorona)

https://tononkira.serasera.org/hira/chorale-antsan-ivontovorona/faneva-30-acu-vontovorona

1-Fahasoavana lehibe natolotrao hoanay ry Ray
ny nahatraranay  'ity jôbily soa,
faha-30 taona izay nijroanay,
dia ny "ACU Fo Masin'i Jesoa".
Aina sy famindram-po no narotsakao ry Ray,
fiahianao niaro azy hatramizao,
Ka inoana fa hiorina aminao hatrany hatrany;
Tanjonay ny ho eo anilanao


2- Finoana sy fahalalana Fahendrena koa,
Hampiova anay ho olom-baovao,
Hahafahanay mandray sy mitia anao Jesoa:
Mba ampitomboy  ka hiainanay tokoa.
Mba hanjaka eto aminay ny Fanahy Masinao
Hanilo sy hanazava ny fonay
Ka ny fifankatiavana sy fahamarinana
No filamatra hoentinay miaina ety.


3-Tantano hatrany ny dianatononkira.serasera.orgy ry Reny be Fitia,
Fitarikandro Masina tokoa,
Ny fianarana sy adidy iandraiketanay ety
Ho Taratry ny fibanjinanay ny ho avy.
Miandrandra anay Tanora raha ity firenenay,
tariho 'zahay hikatsaka ny soa,
Tanindrazana hisandratra no tarigetranay;
ho reharehan'ny Fiangonanay tokoa.

Fiv:
Fihobiana sy haravoana enti-mankalaza anao
ry Jesoa; ka tongava eto aminay
mba tsofy rano ity fiangonana  fehezinao (Ry Fo Masin'i )
Jesoa matoky anao 'zahay
Asandrato ny feo hiantsa ny Tompontsika
hidera azy isika fa "Avy aminy,
sy noho Izy ary azy ny zavatra rehetra, (Eny Izy)
Homem-boninahitra mandrakizay"

A/C: Francis Odet RAMAMONJISOA (2015)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Chorale Antsan' Ivontovorona
Mpamaky : 166
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rfo_project
Tamin'ny : 15/02/2020 09:50:16
ID : 12561

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo