ANIRAHO FANAHY MASINA (Chorale Antsan' Ivontovorona)

https://tononkira.serasera.org/hira/chorale-antsan-ivontovorona/aniraho-fanahy-masina

Maro ratsy mpisarika aho Tompo
mitarika ahy hanao izay tsy sitrakao:
Aniraho Fanahy Masina avy Aminao
hanome ahy fahendrena!

Miandrandra fampianarana aho Tompo
hahaizako mitady ny mahasoa ahy:
Aniraho Fanahy Masina avy Aminao
hanome fahazavan-tsaina ahy!

Tsy hitsahatra aho ny hanompo AnaoTsiky dia ampy Tompo;
hitombo ireo enjika sy sedra hahazo ahy:
Aniraho Fanahy Masina avy Aminao
hanome faherezana ahy!

Fiv:
Aza misaraka amin'ny fiainako Ianao Tompo,
ny zava-bitako tsisy anao tsinontsinona avokoa;
Toroy lalana amin'ireo zavatra izay hatao,
ho voninahitry ny anaranao.

A/C : Francis Odet RAMAMONJISOA (Mars 2019)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Chorale Antsan' Ivontovorona
Mpamaky : 207
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : rfo_project
Tamin'ny : 17/03/2020 20:34:46
ID : 12625

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo