You are here: home > Tononkira > Antsafi

tompo ô! fantatrao (Antsafi)

https://tononkira.serasera.org/hira/antsafi/tompo-fantatrao

Tompo o! fantatrao malemy tokoa izaho izao
Nofo aman-dra  fa tsy anjely
Tsy mendrika Anao velively
Tompo o! fantatrao ny ota ao anatiko ao
Ny loto mameno ny foko
Ny fahalemen’ny finoako
Kanefa Tompo o!Tsiky dia ampy
Ny fanahinao manazava ny tahotro misava
Nomenao fahasoavana, noraisinao ho Havana
Ny teninao no toky ho ahy
Mitarika ahy ho sahy hanatona Anao
Hanaraka Anao, hanara-dia Anao hatramin’izao
Koa diovy hamarino, hamarino aho Amen!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsafi
Mpamaky : 657
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zoandrianina
Tamin'ny : 26/11/2015 16:18:22
ID : 7704

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo