You are here: home > Tononkira > Antsafi

Aza manahy (Antsafi)

Iriko e ry Tompo ny hosakambininao
Mba tsy hiady irery ety
Tsy mahay manao n’inona n’inona anie aho
Sanatria raha izaho ihany, tsy hoefa izany
        Aza matahotra foana ianao ry zanako ô!
        Fa indro Aho momba anao, sy hitantana anao
        Raha mita ny rano ianao, tsy hanafotra anao Izy
        Raha mita ny afo koa dia tTsiky dia ampysy ho may
       Aza mierikerika foana ianao, f’Izaho no Andriamanitrao
        Izay mampahery anao, sy mitantana anao
        Matokia, aoka ho sahy, ny ady aoka ho Ahy
       Izaho tsy hahafoy anao, k’aza manahy
Ka ny lalana izorako Tompo
Izay hotinendrinao, mba tsy ho sitrapoko
Fa ny Anao ilay tsara, ankasitrahana, marina
No hitariho ho ahy mandrakizay.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsafi
Mpamaky : 742
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : zoandrianina
Tamin'ny : 25/08/2015 15:13:25
ID : 7673

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo