You are here: home > Tononkira > Antsafi

fantatro fa (Antsafi)

Amin’ny andro hatahorako
No andraisako Anao Ray ô!
Hainao ny mamaha ny fatorako
Na inona adim-panahy
Raha maro ny ady hatrehako
Ampinga ho ahy Ianao
Ny sandrinao no fianteherako
Matoky aho f’Ianao tsy mandao
      Fa fantatro fa tsy irery aho
      Fa manana ilay RTsiky dia ampyay Mpiahy
      Tompoko izay tompoiko sady koa tia ahy
Amin’ny andro fifaliako
Arovy aho mba tsy hirehareha
Ka tsy ho ny fisainako
No hitondra ny lalan-kaleha
Tsy misy soa izay ananako
Rah’oharina Aminao
Tokana ny ahy ny safidiko
Dia ny hampifalianao
      Fa fantatro fa tsy irery aho (x2)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antsafi
Mpamaky : 443
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zoandrianina
Tamin'ny : 27/11/2015 19:17:25
ID : 7696

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo