VOADY (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

Ry Tomponay malala o indreto izahay
Manolotra ny fo mba ho Anao anie Jesoa
Nandre izany antso ka ity ny tenanay
Ho irakao hanompo Anao tokoa

Ny voadiko Aminao Jesoa
Dia ho Anao tokoa
Tsy hiala na handao izany lalànao
Ka n'aiza n'aiza aleha Ianao no mpitarika
Ho manda fiarovana aTsiky dia ampyhy koa

Izahay izao Jesoa dia vonona tokoa ho Anao
Ny herinao anie no toky sy mpamonjy anay
Tantanonao hatrany tsy ho diso lalàna
Ka ny Fanahinao no hameno anay

Ny voadiko Aminao Jesoa
Dia ho Anao tokoa
Tsy hiala na handao izany lalànao
Ka n'aiza n'aiza aleha Ianao no mpitarika
Ho manda fiarovana ahy koa

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Mpamaky : 89
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zeea
Tamin'ny : 13/07/2019 11:44:39
ID : 11888

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo