FANIRIAKO (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

Ny androm-piainanao dia ho tsinontsinona
Raha tsy tantanan’i Jesoa be fitiavana
Ny eo akaikiny no mahatsara antsika
Atolory azy ny fiainanao

Hanara-dia Anao Jesoa no hany faniriko izao
Tsy hisaraka Aminao fa hitoetra eo ambany elatrao Ray o
Hifikitra Aminao, hanao izay sitrakao
Hanompo Anao Jesoa
Amin’izay fotoana izay
Hitambatra ho iray
Amin'ireo mino Anao

Ny fiadanany atolony anao izao
Ny tana-maheriny hamonjy anao
Finoana ihany no antok’izao
Miorena tsara, Jesoa tia anao

Jean Fils RAKOTOMALALA
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/antokom-pihira-feo-mamy-fjkm-ankadindramamy-fahazavana/faniriako-1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Vangy : 937
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Zeea
Daty : 02/08/2017 08:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0661