HIHIRA NY FITIAVANAO AHO (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

NY fitiavanao ry Jesoa no momba ahy
Famindram-po tsy hita lany
NY ainao no nafoinao mba ho ahy
Ahazoana ny lanitra any

Ny famonjenao ihany no avotra ho anay
Jesoa mora fo indrindra
Tsy hanary ianao na hamela ahy angahiahy
Fitiavanao tsy hifindra
Ato am-poko ianao
Mandrakizay ho anao
Hihira ny fitiavanao aho
Raiso ho anao ny foko
Ka hanjakao ry Tompo
Hihira ny fitiavanao aho

Ntononkira.serasera.orgy androm-piainako atolotro ho anao
Jesoa ianao tsy mahafohy ahy
Hitoetra hatrany aho anilanao
Tsinjovinao ka tsy mba manahy

Ny famonjenao ihany no avotra ho anay
Jesoa mora fo indrindra
Tsy hanary ianao na hamela ahy angahiahy
Fitiavanao tsy hifindra
Ato am-poko ianao
Mandrakizay ho anao
Hihira ny fitiavanao aho
Raiso ho anao ny foko
Ka hanjakao ry Tompo
Hihira ny fitiavanao aho

Jean Fils RAKOTOMALALA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Mpamaky : 294
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : zeea
Tamin'ny : 19/07/2018 08:15:11
ID : 10766

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo