MIFANKATIAVA IHANY (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mifankatiava ihany
Izao isika izao
Tsy misy olon-kafa
Fa samy iraitam-po daholo
Aoka tsy hisy fialonana intsony
Ny tatibolana-dava tsy hitiavana ny hafa

Na izaho na ianao dia olo-kandalo
Ka aoka tsy hisy ho mpifahavalo
Na olo-mahantra ianao na mpanakarena
Ny antson'ny Ray tsy maintsy ekena
Na izaho na iana dia olo-kandalo
Ka aoka tsy hisy ho mpifahavalo
Tsy maintsy ho faty ianao
Na tiana, na tsy tiana
Hatory tsy hifoha am-pasa mangina

Mifandraisa tanana isika ( vehivavy )
Mba ho mariky ny fihavanana ( lehilahy )
Asanareo re, izay hevitrareo
Fa raha izao izany o
Dia tsy mba hiady intsony mantsy
Aoka tsy hisy fialonana intsony
Ny tatibolan-dava o tsy itiavana ny hafa

Mifandraisa tanana isika ( vehivavy )
Mba ho mariky ny fihavanana ( lehilahy )
Asanareo re, izay hevitrareo
Fa raha izao izany o
Dia tsy mba hiady intsony mantsy
Aoka tsy hisy fialonana intsony
Ny tatibolan-dava o tsy itiavana ny hafa
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0706