ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Nampiditra : olontiana
Tamin'ny : 13/09/2012 08:16:29
Mombamomba :
Ny Antokom-pihira FEO MAMY dia niorina t@ 23 Septambra 1977
Manana mpikambana 120 izay tarihan'ny filohany RAKOTOMALALA Jean Olivier sy ny filoha mpanampy Honoré, ahitana mpamoro-kira telo:RAKOTOMALALA Jean Fils, Lalao, Michel.Mitory ny filazantsara @ hira fiderana.Ho famaranana ny faha 35 taona nihorenany ary dia mahafaly anay ny manasa anareo hanatrika ny herinandron'ny fiderana izay atao ao @ FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA izay fiangonana nipoirany ny Alatsinainy 17 hatr@ Zoma 21 Septambra 2012 manomboka @ 6 sasany izay hiarahana @ ireto Antokom-pihira manaraka ireto: AKON' NY PARADISA FJKM ANKADINDRAMAMY, NY RIAM-PEO AMBATOBE, TIA ANDRAISORO, HOSANA AMBOHIJATOVO FITIAVANA, MAINTIMOLALY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA ary ny Alahady 23 Septambra maraina dia fiaraha midera an'Andriamanitra sy ho fitsofan-drano ny fikambanana ary fizarana marim-pakasitrahana ny mpikambana sy ny mpanohana rehetra ny hariva manomboka @ 2 sasany dia antsa-piderana miaraka @ FEO MAMY sy ny MAINTIMOLALY ao an-toerana ihany.Koa mangataka vavaka mba halavorary ny asa nampetraky ny Tompo aminay misaotra indrindra tompoko.
Lisitry ny hira
Hampiditra hira- AM-PELATANANAO
- AMBARAO E
- AMORONY FO MADIO
- AMPIANARO
- AMPY AHY IANAO
- ANDAO
- ANDEHA
- ANDRIAMANITRA O TAHIO
- ANTSO
- AOKA IZAY
Hevitra mandeha
zeea (26/03/2021 13:41:20)
Rehefa misy sary dia ampidiriko eo ihany ka
hery (22/03/2021 21:16:28)
Azonao asiana sary ihany koa ve?
Misaotra