ANDRIAMANITRA O TAHIO (ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA)

Andriamanitra o tahio
Izahay mpanomponao
Ka mba arovy sy ampio
Hanara-dia Anao

Izahay izao dia ho vonona ho miaramila anao
Ry Tompo o, mino izahay
Fa Ianao no aronay

Ka mba ampio ( ireto mpanomponao)
Sy henoy (ny vavaka ataonay)
Ka ny hosana, fiderana no atolotray ho Anao

Andriamanitra o vimbino
Ny fiangonanao
Fa fifaliana lehibe
No atolotray ho Anao

Ny fanahinay sy ny fonay
Samy ravoravo koa
Ry Tompo o, matoky izahay
Fa Ianao no aronay

Ka mba ampio ( ireto mpanomponao)
Sy henoy (ny vavaka ataonay)
Ka ny hosana, fiderana no atolotray ho Anao
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/antokom-pihira-feo-mamy-fjkm-ankadindramamy-fahazavana/andriamanitra-o-tahio-2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ANTOKOM-PIHIRA FEO MAMY FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA
Vangy : 963
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Zeea
Daty : 30/07/2018 07:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0749