Arotsay ao am-ponay ry Tompo ô (Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A))

https://tononkira.serasera.org/hira/antoko-mpihiranny-andonny-lanitra-antohomadinika-a.m.a.l.a/arotsay-ao-am-ponay-ry-tompo-

Tompo ô, Ianao ilay fahazavana
Tompo ô, Ianao ilay famonjena
Tompo ô, fitiavana Ianao
Tompo ô, fifaliana Ianao

Ny herinao rehetra, ny fahasoavanao
Ny fitahianao narotsakao manontolo
Ny zava-tsoa marobe, nysoa sesehena
Ny fiadananao nomenao ho anay

Izao tontolo izao dia mila anao Tompo ô
Ka ny tanam-pitiavanao no aoka hanafaka

Arotsay ao am-ponay ilay Fanahy Masinao
Arotsay aotononkira.serasera.org aminay
Hiasa mangina ao anatinay, hanadio ny fonay
Hanafaka amin’ny herin’ny aizina

Tompo ô, Ianao ilay hasambarana
Tompo ô, Ianao ilay fiadanana
Tompo ô, fahamarinana Ianao
Tompo ô, fiainana Ianao

Izay rehetra ataonay, ny làlana hizoranay
Ny fitadiavanay dia feno ny tso-dranonao
Ny fiderana Anao, ny fitoriana ny teninao
Izay hasandratray, ho voninahitrao

A.M.A.LA
Aut / comp : Abel Randriamalala

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A)
Mpamaky : 71
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Nampionona
Tamin'ny : 24/06/2020 15:15:10
ID : 12853

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo