Vavaka ho an'i Dada sy Neny (Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo o, Mba raiso izao vavaka izao
Hasandratro aminao, ho an'Ikaky sy Ineny
Antoky ny Soa avy aminao izy ireo
Ny soa avy aminao (*2)

Tompo o, masoandro be lohataona
Sy volana mazava i Dada sy Neny
Maminay ery ny fiadananao
Ny fiadananao (*2)

Omeo hery izahay ry Tompo o
Ihavanay hatrany reo Ray aman-dreny
Ampio koa anie zahay Zanakao
Mahay hankasitraka azy ireny

Ref: Ianao ry Tompo no ianteheranay
Iantreheranay ho an'i Dada sy Neny
Ry Rainay o, mitalaho izahay e
Mba raiso re zao vavaka izao

Tompo o, ifonanay eto anio
Ireo mampalahelo an'i Dada sy Neny
Nampalahelo anao koa izany
Ifonanay tokoa (*2)

Tompo o, raha tonga ny andro fahanterany
Aza avela ho osa i Dada sy Neny
Dia tafio hery avy aminao izy ireo
Noho fitiavanao (*2)

Tafio irery sy fahasalamana
Alaviro azy ireo ny rofy rehetra
Tahio mba ho soa ary ho salama tsara
Hifanatitra amin-janaka amam-para

Ref: ...

Tompo o, saotra no atolotro Anao
Zay nanome anay an'i Dada sy Neny
Tandidonao ety aminay izy ireny
Tandindonao ireny (*2)

Voninahitra anie ho anao ry Ray
Ho anao koa ny zanaka, ho anao ry Fanahy
Toy ny teo aloha sy ankehitriny
Ary mandrakizay doria amen!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antoko Mpihiran'ny Andon'ny Lanitra Antohomadinika (A.M.A.L.A)
Vangy : 940
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Dapoon
Daty : 19/11/2019 21:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0767