You are here: home > Tononkira > Antoko Mpihira MORIA

Tano ny finoana ho ampinga (Antoko Mpihira MORIA)

1-He misaora ilay Andriananahary
Nanome antsika izao fotoana izao
Fa miseho etoana sy miharihary
Vokatry ny asa fitoriana natao

Fiv:Tano ny finoana ho ampinga
Manda sy hery no enti-mamindra
N'aiza n'aiza koa no aleha
Izy no atao rehareha
Tsiky dia ampy
2-Efa an-taona maro izay lasa izay
Nitoriana ny teny soa mahafaly
Ny finoana no naha toy izao anay
Mbola tena mijoro hatrany hatrany

3-Mitsangana re ianao ry mino
Dina sy faneva aza mba adino
Na toy inona ady mifanesy
Ilay ampinga no mitondra antsika ho mpandresy

Mpihira : Antoko Mpihira MORIA
Mpamaky : 42
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tokyrajoelison
Tamin'ny : 02/08/2022 13:06:53
ID : 14455

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo