TSY AVELAN'ANDRIAMANITRA (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy avelan’Andriamanitra hiraviravy tànana tanteraka,
Ireo zanany miady saina mila ho reraka;
Tsy avelany hamoy fo tafiny herin-tsaina hahazaka,
Ka na inona manjo dia tohanany hitraka.

Ref:
Efa mba nisy ve, hatramin’ny elabe masoandro nody takariva
Ka tsy niverina mba hanazava indray ’lay maraina
Tsy mba drafitr’Andriamanitra ny fahoriana tsy azo laizina
Hahitany ireo voahariny ho farahidiny amin’ny maizina
Ny ranomaso sy tomany
Na dia mirotsaka aza tsy mateza fa fafany.

Raha tsaroana ho mikija ny ranon’oram-be mivatravatra,
Mibosesika ny alahelo tsy omby tratra;
Tsapanao ho mielina ny hafaliana sy ny andro tsara,
Lasalasa ny vinany fa toa mivilana ny zara.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Vangy : 3827
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rajaona
Daty : 13/11/2003 01:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0755