EO AMBANY FAHASOAVANAO (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

https://tononkira.serasera.org/hira/amaf/eo-ambany-fahasoavanao

Fantatrao fa tsy tanteraka aho ry Tompo ô !
Nefa endrey fa nanankinanao asa
Tao anaty alin-kisa no niantsoanao ahy
Mba ho isan’ireo irakao

Fiv :
Inona e, Raiko ô, no hatahorako
Raha Ianao no mitsilo ’zany diako ?
Izay miaraka Aminao e tsy mba manana ahiahy
Fa mahery matokytononkira.serasera.org am-panahy

Tsy miafina Aminao ny halotoako ry Ray ;
Koa hamasino ho mendrika Anao
Ka mba ho eo ambany fahasoavanao tokoa
No hanekeko ho irakao

Hiainga aho hamakivaky lalan-tsarotra
Mety ho kivy satria nofo ihany aho
Rehefa injay fa mila hiraviravy tanana
Mba misehoa Ianao

... Eo ambany fahasoavanao

Hevitra mandeha

TolotraCr (21/11/2016 13:56:14)

Salama ... Mba afaka mahazo version mp3 an'ito v kay azafady?

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Mpamaky : 10255
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : mamy78
Tamin'ny : 24/01/2007 18:39:23
ID : 4159

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo