TETO (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Teto an-tranonao Ray no namantarako
Ireo sorin-dalanao nizorako
Teto ihany koa no nampianaranao ahy
Ray teninao soa fialofako
Ny androm-pahazazako teto fantatrao avokoa
Nankalaza ny noely fony kely nankato

Teto no nandraisanao ahy
Fony aho nania
Hiara-monina Aminao
Mandrakizay doria

Teto an-tranonao teto no nandraisako
Fahasoavan-dehibe tsy fantatro
Lalana tsy takatry ny saiko ry Ray
No nitondranao ahy ho fiadanako
Ny hatanorako teto tsy aiko nofehezina
Efa namboarinao ahahy hanao ny sitrakao
Eto anio no hiantsoko Anao ry Ray Tsitoha
Ka hisaorako Anao Hianao Mpamindra fo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Vangy : 5585
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 20/01/2005 06:16
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3362