Mpivahiny (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mpivahiny izahay ety
Fandalovana izao rehetra izao.
Ka ho lo sy ho levona.
Ho lavenona sy zary vovoka.

1. Eny Ray ô! Fantatray tokoa.
Fantatrao izahay.
Fa mpivahiny ety.
Mihelina toy ny rivotra.
Ny andronay ety.
Ka ho aiza moa izahay.

2. Raha hiala ety ho any Aminao
Sao ho sanatria
Ho very izany izaho
Ka rahatrizay dia ho avy Ianao.
Mba hitsara anay.
Ho aiza moa izahay.

3. Mba satriko e, ny eo anilanao
No anjarako
Raha toa ka hiala ety
Mino aho Ray ô, f'efa afakao.
Izany otako
K'ilaozako ny ety
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Vangy : 198
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Ruthkwl
Daty : 15/12/2023 06:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725