Trano tsy natao tanana (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Raha ny trano lay ety.
No hirehitra ho may.
Tsy ampan'inona satria.
Filasiana trano lay.
Raha ilay mba famantanana.
No ho kila hotohoto.
Dia ilay trano natao tanana.
Tamin'ny tanana maloto.

Ref:
Moa ho latsaka ao anaty.
Ny alahelo izay mandrotika.
Zava-boahary mety maty.
Baingantany mety potika.
Andrandrao ilay any ankoatra.
Ilay lapa fiadanana.
Dia ilay trano tsara voatra.
Ilay trano tsy natao tanana.

2-Eo no andro ivahiniana.
Dia tsaroana ho mielina.
Iharetam-pahoriana.
Sy ny ngidiny tsy telina.
Indraindray toa semban-drahona.
Ny masoandro fifaliana.
Dray,tantely amam-bahona.
Tsy tena feno ny hamamiana.

Jordan
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Hits : 9533
Likes : 3 Like
Created by : Ruthkwl
Date : 02/04/2017 11:14
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.077