IAORAKO ANIE JEHOVAH (STK FJKM Ambatomena Antananarivo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaorana anie Jehovah
Noho ny soa nomeny antsika
Fa tsy tapak'isan'andro
Ny fanomezantsoa
Ny taona sy ny volana
Dia samy voalahatra
Ny andro sy ny alina
Dia samy tsy diso fitahiana

Ny lohataona sy ririnina
Ary koa ny fararano
Sy ny fahavaratra
Dia feno fahasoavana

Ny tena mbola salama finaritra
Miadana fa voky soa betsaka
Tsy tambo tononina
K'asandrato re ny feo izao
Hidera ny Tompo be indrafo
Voninahitra ho Anao anie
Ry Tompo Avo indrindra ô !
Mpamonjy be fitia
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : STK FJKM Ambatomena Antananarivo
Visites : 446
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Jockl
Date : 28/01/2020 19:17
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0792