NY VOADIKO (Mi) (Feon'ny fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny voadiko ry Jesoa ny hanompo anao
Na an_tsaha na an_tanàna ivavahako
Ka ny lalanao no lalako
Izay sitrakao ataovy amiko fa vonona aho handray

Ny voadiko ry Jesoa ny hanompo anao
Na hatory na hifoha hanao ny soa
Ka ny tianao no tiako
Izay sitrakao ataovy amiko fa vonona aho handray

Ny voadiko ry Jesoa ny hanompo anao
Ho re an_tany an_danitra mandrakizay
Ka ny maminao no mamiko
Izay sitrakao ataovy amiko fa vonona handray

Ref: Ka hiezaka aho hanompo anao
         Mba tohano aho ry Raiko mba tohano
         Ka ny lalanao no lalako
        Izay sitrakao ataovy amiko fa vonona aho handray
--------
Lien:
Commentaires
hery ( 01/06/2023 23:10)
Misaotra.
Tsipelina kely fotsin - (eo amin'ny 6) ny tsipi-panohizana fa tsy _ (eo amin'ny 8)
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Feon'ny fiderana
Visites : 302
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Tiannie27
Date : 27/05/2023 20:36
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735