BAIBOLY (Si) (Feon'ny fiderana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza mba ataonao fandaniana andro mihintsy
Na indrindra koa hoheverina ho fialam_boly
Fa natao hitarika antsika amin'ny lala_mahitsy
Ireo teny rehetra voalaza ao amin'ny baiboly

1. Raha mandinindinika izay voalaza ao ianao
Dia hangataho mafy aloha ny Fanahin'ny Tsitoha
Dia ho ren'ny tenanao ny fiovan'ny fiainanao
Fa Jesosy no velona ao fa tsy mba ianao

2.Raha misy ilaina aza miasa saina
Atrakao izany loha ka jereo ilay Tsitoha
Hangataho izay tianao fa omeny tsotr'izao
Raha fantany tokoa fa mahasoa
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Feon'ny fiderana
Visites : 178
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Tiannie27
Date : 11/11/2023 13:10
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725