AZO ANTOKA (ANTSON'NY FAMONJENA (F.K.P.M.V. MAKEDONIA FAMONJENA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ny anaran'ny fiangonanao,
No hoentina hotsaraina
ka hahavonjy anao
Fa ilay Jesoa izay noraisinao eee
No hany tokana hanamarina anao

REFRAIN: ...
Azo antoka (3)
ny hahazoanao lanitra
Raha ilay Jesoa
No raisinao ho Tompo sy
Mpamonjy eo amin'ny fiainanao

Tsy ny vola izay anananao
No hoentinao hidirana an-danitra ao
Fa ilay Jesoa izay noraisinao eee
No hany tokana lala-mankao
REFRAIN: ...

Tsy ny anaran'ny Fiangonanao
Na ny vola izay anananao
Tsy ny anaran'ny Fiangonanao
Na ny vola izay anananao
REFRAIN: ...
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : ANTSON'NY FAMONJENA (F.K.P.M.V. MAKEDONIA FAMONJENA)
Visites : 442
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : kevin Razafindrakoto
Date : 14/02/2022 22:28
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0778