Ny eto an-tany (Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny eto an-tany anie ka mandalo ihanyNefa ianao ity toa bebe vinany
Tsy mivaky loha izay hiafarana
Fa milona anatin'ny filibana
Tsy manohana ireo fianakaviana
Zay sahirana mila fanampiana
Nefa ianao anie mba manana homena
Fa tsy mahafoy ho an'ny mahonena
Hararaoty ny andro ahavelomana
Hanasoavana ireo mpiara-monina
Mandehana ka manaova ny rariny
Mba manaova soa tsy miandry valiny
Jesoa Tompo anie ka efa nampianatra
Ary isika koa tokony ho filamatra
Ka andao re mba hanao ny marina
Ka ny firenentsika ho tafarina
2-Toa mpivavaka be raha jerena
Fa manompo sy manolo-tena
Ny fiainana tsy miova akory
Mpanambaka, mpanao kolikoly
Fa mihevitra hoe ny asa atao
No hitiavan'ny Tompo anao
Ny fitiavana ireo rahalahy
Io no tena vokatry ny Fanahy
Hararaoty ny andro ahavelomana
Hanasoavana ireo mpiara-monina
Mandehana ka manaova ny rariny
Mba manaova soa tsy miandry valiny
Jesoa Tompo anie ka efa nampianatra
Ary isika koa tokony ho filamatra
Ka andao re mba hanao ny marina
Ka! GASIKARA HO TAFARINA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA)Visites : 309
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Fenodera-Philberto
Date : 13/07/2023 11:02