Ny eto an-tany (Antsan'ny Famonjena Betlehema Ankofafa (AFA))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ny eto an-tany anie ka mandalo ihany
Nefa ianao ity toa bebe vinany
Tsy mivaky loha izay hiafarana
Fa milona anatin'ny filibana
Tsy manohana ireo fianakaviana
Zay sahirana mila fanampiana
Nefa ianao anie mba manana homena
Fa tsy mahafoy ho an'ny mahonena

Hararaoty ny andro ahavelomana
Hanasoavana ireo mpiara-monina
Mandehana ka manaova ny rariny
Mba manaova soa tsy miandry valiny
Jesoa Tompo anie ka efa nampianatra
Ary isika koa tokony ho filamatra
Ka andao re mba hanao ny marina
Ka ny firenentsika ho tafarina

2-Toa mpivavaka be raha jerena
Fa manompo sy manolo-tena
Ny fiainana tsy miova akory
Mpanambaka, mpanao kolikoly
Fa mihevitra hoe ny asa atao
No hitiavan'ny Tompo anao
Ny fitiavana ireo rahalahy
Io no tena vokatry ny Fanahy

Hararaoty ny andro ahavelomana
Hanasoavana ireo mpiara-monina
Mandehana ka manaova ny rariny
Mba manaova soa tsy miandry valiny
Jesoa Tompo anie ka efa nampianatra
Ary isika koa tokony ho filamatra
Ka andao re mba hanao ny marina
Ka! GASIKARA HO TAFARINA
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0715