Matokia ny Tompo (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Raha misy ady sarotra, raha tojo ny manjo
Ao tokoa ilay Andriamanitra, ilay Tompo Tsitoha
Aza kivy ianao, raha Jeso no aminao
Ka na azom-pahoriana, hody fifaliana

Ref : Matokia, tsy mandao ilay Tompo tia
Ka na mafy ny manjo, Jeso no hampifaly fo

2- Na dia ory sy mahantra eny mampahory anao
N'inon'inona mihatra, ilay Jeso tsy mba mandao
Eto an-tany tomany, be ny fitarainana
Any an-danitra tsy lany ilay hasambarana

3- He ny Tompo Ray mahery
Tsy hamela anao irery
Mampahery mampitraka, izay mino ketraka
Apetraho aminy ny fanahianao rehetra
Ho azonao avy aminy, soa tsy misy fetra
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Antoko Mpihira MORIA
Visites : 200
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : tokyrajoelison
Date : 13/02/2025 12:01
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0702