Ao anatin'ny vala (AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Inona no fiarovan-tena ho anao.
Raha any ivelan'ny manda.
Raha fiadanam-po sy fanahy no tadiavinao.
Tomoera ao anatin'ny vala.
Tsy misy maha rombaka ny ondry.
Izay ao anatin'ny vala.
Fa mpiandry tsara sady mahatoky.
No mambomba anao.
Handry am-piadanana.

Ref:
Na mahery loatra, tsy hay toherina.
Mila hampitroatra, ny adim-piainana.
Izao no fanafody, ndeha hiverina.
Ao anatin'ny vala.

2.Ndraindray toa lasalasa ny fisainana.
Amin'ity fiainana eto ity.
Tsaroana ho miha marefo hatrany ny fo sy fanahy.
Miatrika ady isan'andro isan'andro.
Izay no mampiavaka ny manana ny Ray.
Miaro ao anatin'ny vala.
Fa mpiandry tsara sady mahatoky.
No mambomba anao.
Handry am-piadanana.
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana
Visites : 211
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Ruthkwl
Date : 15/12/2023 05:45
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1921